top of page

RSM, Fianakaviam-be, harena iraisana 

1. - Inona no atao hoe: RSM ?

​

Ny “Rencontre Sportive Malagasy” (RSM) dia fihaonana ara-panatanjahatena fanao isan-taona, laika (tsy manavaka ara-pinoana) sy tsy manao politika, iraisan’ny Malagasy sy ireo Havany aryireo “Sakaizan’i Madagasikara”; monina aty Amerika Avaratra. Izy dia niforona tamin’ny 2002, araka ny fanapahan-kevitra maha-te hidera nasehon’ireo mpinamana tia fifaneraserana sy fanatanjahatena. Notapahina tamin’izany ny anaovana azy isan-taona, ary ifandimbiasana raisin’ny Tanànan’i Etazonia sy Kanadà. Amin’ny fivoriam-ben’ireo Komity Rezionaly mamarana ny lalao moa no manapaka ny toerana.

​Hatramin’izao dia mahafinaritra no milaza eto fa mbola tsy tapaka, tsy azon-tsampona, ny fisian’ny RSM isan-taona: Montréal 2003 – New York 2003 – Washington DC 2004 (Washington DC sy ny manodidina: Maryland, Virginia) – Montréal 2005 – New York 2006 – Washington DC 2007 – Montréal2008 – TRI-STATES 2009 (New York – New Jersey – Connecticut) – Québec 2010 – Washington DC 2011 (Washington DC sy ny manodidina).

Tsapa, ary mahavelom-bolo tokoa, ny fitomboan’isan’ny mpilalao, ny isan’ny ekipa sy ny Tanàna ary ny ny isan’ny “Etats” te-handray anjara sy te-hampiantrano. Raha tsy hitanisa afa-tsyAustin, Cleveland, Saint-Jérôme, Toronto, Trois-Rivières, Minneapolis, Minnesota, Ottawa, Southwest Team (California – Texas…), Tennessee, sns. dia efa miha-betsaka ny mangetaheta.

Misy koa ireo havana sy namana avy any ivelan’i Amerika Avaratra (mpikambana ao amin’ny Rencontre Nationale Sportive (RNS) France) te-handray anjara, nefa mbola sarotra aloha ny fandraisana azy ireo, noho ny antony ara-pikarakarana.

Araka ny fanao dia ny fivoriam-be, mamarana ny lalao eto Washington DC RSM 2023, no manapaka ny toeranan’ny fihaonana 2012.

 

2. - Inona no tanjon’ny RSM ?

 

Ny tanjon’ny RSM dia manatevina hatrany ny fifandraisan’ny mponina Malagasy sy ireo Havany ary ny “Sakaizan’i Madagasikara”, mipetraka aty Amerika Avaratra; amin’ny alàlan’ny fiainana ny rivotry ny fihaonam-be ireny, am-pifaliana sy am-piravoravona tokoa, 

Satria koa, betsaka sy mihamaro hatrany ny zanaky ny Malagasy teraka aty Amerika, dia mety tsy mahita sy miaina ireny lanonana ara-tsaina sy ara-koltoraly any an-Tanindràzana ireny izy ireo. Noho izany dia heverina fa tsara, ao anatin’ny fanabehazana tokoa moa izany, ny hampisehona sy hampandraisana anjara azy ireo amin’ny fihaonam-be izay hezahana ho mahasoa sy mahafinaritra.

Tanjona ihany koa, ary tsy amabanin-javatra,,mandritra ireo roa na telo andro hiaonanana ireo, ny hampisehoana sy hanandràtana ny Fihavanana Malagasy. Hampitsiry sy hampitombo ny ambo «maha-Malagasy».

Ary farany, heverina fa sehatra lehibe iray, hanitarana sy hanatevenana ny finamanana sy fiafankatiavana  amin’ny samy Malagasy sy ny  Havany, ary amin’ny maha-mponina azy eto Amerika Avaratra io RSM io. Hampitana amin’ny Taranaka faramandimby ny « maha-Malagasy », araka izay kely vitany.

 

3. - Inona ny harena vohizin’ny RSM ?

Raha fintinina ny teo ambony, ary raha tsiahivina ireo fahaiza-miaina sy fahendrena nohandrandrain’ireo Razantsika sy notandroviny, dia toy izao:

- Fihavanana: fitiavana miseho endrika ho toy ny firalahina 

- Fifanajana: manaja ny hafa toy ny fanajana ny tena

-  Firaisankina: fiaraha-mientana an-kitsi-po

- Fitiava-Tanindràzana: fitiavana mivaivay, tsy atakalo tsy amidy vola, ny Tany nihaviana “Madagasikara”.

Ireo no harena hezahina hatrany ho tandrovina hanjaka ao anatin’itony fihaonam-be karakarain’ny RSM, aty am-pitan-dranomasina lavitra an’i Madagasikara itony, ary tokony hiampita foana amin’ny Taranaka faramandimby ho lova tsy manan-tsahala. Eny fa hampiarina hatramin’ny fiainana an-davanandro aza.

 

4. - Inona iainana ao anatin’ny RSM ?

Raha tsy mamonjy an’ireny RSM dia toa mahatsiaro ho maty antoka, raha araky ny fitantaran’izay nandeha teo aloha.

Voalohany aloha dia mitaintaina, mangitangitaka, manontany tena hoe: “Iza no Havana, na Namana, na olona vaovao ho hitako rahampitso?” Ny ampitso indray dia faly sy samaritaka, miarahaba sy mamihina ireo havana sy namana izay efa tsy hita hatramin’ny ela. Indrindra moa fa, izay tsy hay tantaraina eto, ny fifankahitan’ireo nifankalala tany Madagasikara, ka izay indray vao nifankahita tampoka.

Mandritra ny lanonana dia “mifangaro” eny daholo, na ny eny amin’ny sisiny “pelouse”, na ny antitra na ny tanora, na ny kely na ny lehibe, na ny eny ambony kianja,

Ry Nenibe moa dia somebiseby manomana ny zafikely hiatrika ny fifaninanana. Ny tovolahy kely mihazakazaka mitondra rano ho an’I Dada eo am-pialan-tsasatry ny baolina. Ny zazavavy miaraka amin’ny Reniny mihezaka mafy mamporisika sy manohana ireo mpilalaony eny ambony kianja. Ny sasany aza mahavita manao fihetsika mirindra mihintsy, “cheerleading” angamba, mahafinaritra tokoa ny mijery azy; izany dia fomba fanao toa tsy fahita firy any an-Tanindràzana. Ny tabataba sy ny horakoraka sy ny siotsioka ary ny fiantsoantsona anarana dia tsy ifandrenesana…

Ny mpilalao amin’izany vinitra dia vinitra, noho ny hery atosaka eo amin’ny kianja. Mila “gatorade” eh! Samy manao izay ho afany: ny tanora tsy manaiky gisitra, ny lazondazony tsy manaiky resy. Toa tsy mahatsiaro vizana, na mitaraina marary amin’ny “crampes”, fa samy manao ny ainy tsy ho zavatra. Samy manao an-kitsi-po (ny sasany aza toa mafana fo be loatra) sy amin-kafaliana amin’izay tandrifiny. Ny tsara indrindra dia ny tsy manao fihetsika tafahoatra.

Ao anatin’izany rehetra rehetra izany, eny an’elanelany eny, eny am-pivezivezena eny, dia mahita sy maheno: na ny takoritsika madinidinika ifanakalozanan’ny andiany maromaro; na ny fihomehezana mikakakaka, mampiseho ny fiaraha-miray amin’ny zavatra mahafinaritra ataon’ny andiany hafa…

Tsy adino ny tsikitsiky (sourire) amin’izay mifanena amin’ny tena, fomba mahafinaritra iray toa namafisina aty Amerika izy io.

Fotoana fanararaotana fa mifankahita indray ny RSM, miala voly sy miala vokona tamin’ny an-davanandro izay toa tsy nisy niainana fa hazakaza-dava, maka rivotra vaovao, sady faly miaraka amin’ireo havana sy namana, na vaovao na taloha. 

Dia fety tokoa anie izany eh! na ny eny amin’ny kianja na ny manodidina ny lalao rehetra.

Nefa tsy lantsa-danja noho izany koa ny zava-misy amin’ny famaranana ny fihaonam-be: fiaraha-misakafo (miara-maka-fy ny ravitoto sy ny hena kisoa ary ny hen’omby ritra), fizarana ny amboara (atao ahoana moa fa tsy maintsy misy ny resy sy ny mandresy), mety ho hita ao koa fampisehona koltoraly ataon’ny “Avy any Dago”, na ala-voly fandihizana tsilaindaina eo.

Na dia fantatra aza fa hisaraka dia misy ny fanantenana fa mbola hihaona indray amin’ny herintaona.

Eo rahateo koa moa ny fahatsapana fa mitombo isan-taona hatrany ny isan’ny mpilalao sy ny isan’ny ekipa, ka mahita zava-baovao mahazendana hatrany.

Aza hadino ny maka sary halefa amin’ny trano-kalan’ny RSM sy “facebook”, ho fahatsiarovana sy ho hitan’ny havana aman-tsakaiza, indrindra fa ny any Madagasikara, fa nandray anjara tao ianao.

Izany sy izany no iainana ao anatin’ny RSM ao. Anjaran’ny tsirairay no mandray ny tandrifiny sy maka-fy.

 

5. - Inona ny antony ny hoe: “Mpilalao avy any Madagasikara” (JOM) RSM ?

Araka ny voalaza teo aloha, toy ny “fahatsapana fa mitombo isan-taona hatrany ny isan’ny mpilalao sy ny isan’ny ekipa” dia lanja miakatra toy izay koa ny endri-dalao sy ny fikarakarana azy. Ny fifaninana aza toa lasa fifandrafina mafy, lasa mahery vaika aza, mba handresena. Eo an-daniny koa ny fampidirana hatrany hatrany ireo mpilalao ranjanana, mahay ara-teknika; noho ny “tanjona tsy maintsy mandresy”. Mampiheritreritra sy mahatonga saina ihany ny fahitana izany sy ny zavatra mety ho vokany. Mety mifanohitra amin’ny tanjona tadiavina: fihavanana sy firalahina ary ezaka mba ho fandraisan’anjara ny rehetra amin’ny lalao, raha ampitsiahivina.

Raha resaka fanatanjahatena sy ara-piarahamonina, any am-pianarana sy eny amin’ny ny fiainana andavanandro eny dia mandray anjara amin’izany ny Malagasy. Mifanerasera sy mifaninana, sady mahaliana koa, amin’ireo mponina toy ny “Americans, Afro-Americans, Hispaniques, Amerindians, Africans, Asiatiques, Arabes …”

Ny tombony izany dia ny RSM, izay fihaonana iray mba hezahina hilalaovan’ny Malagasy rehetra sy ny Havany ary ny ‘’Sakaizan’i Madagasikara’ miaraka.

Ka noho ireo resaka rehetra ireo, mba hanajana ireo tanjona imasomasoany, dia mandray andraikitra ny mpikarakara ny RSM, ka manisy sy manatsara hatrany ny fepetra sy fitsipika mifehy ny lalao sy ny manodidina azy.

Ny mpilalao moa no manana toerana lehibe ka tsara ny famaritana azy. Ireo “Mpilalao avy any Madagasikara” (dika malalaka hatramin’izao aloha) dia ireo Malagasy, ireo Havany (dika araka ny teny Malagasy), ary ireo “Sakaizan’i Madagasikara”: Vahiny teraka tany Madagasikara (Zanatany) na Vahiny nitsidika ka tia an’i Madagasikara, nisy fotoana nitroka ny rivotra sy ny fiarahamonina maha-Malagasy tany.

 

6. - Inona ny taranaja misy ao amin’ny RSM ?

Ny RSM aloha dia namaritra taranja vitsivitsy rehefa avy nandinika sy nampifandanja ireo hevitra araka: 

-ny maha-be an’isa ny mpandray anjara azy

-ny fahafahan’ny kilasin-taona rehetra mandray anjara (na ny kely na ny lehibe)

-ny fahafahan’ny Lahy sy Vavy miaraka milalao

-ry lalao betsaka mpaka-fy (mpilalao sy tsy mpilalao). 

 

Nivoaka tamin’izany ireto taranja ireto:

- basketball lahy

-basketball vavy (vaovao)

- basketball ankizy

- volleyball lahy sy vavy mitambatra

- kitra (soccer) lahy

-kitra ankizy

- pétanque.

Azo hatao ny mieritreritra ny fanitarana ny isa sy karazan’ny taranja toy ny Tennis – belotte – Athlétisme sy taranja hafa, fa….

Ny Fanapahan-kevitra dia miankina amin’ny fivoriam-ben’ireo Komity Rezionaly amin’ny famaranana ny lalao sy ny fahavononan’ny Komity mandray ny lalao.

 

7. - Inona ny antony hanaovana ny RSM amin’ny fotoana manodidina ny faran’ny volana Jiona sy voalohandohan’ny volana Jolay ?

Isan-taona dia mandinika ny fotoana mifanaraka amin’izay mety amin’ny rehetra, hanatanterahana ny fihaonana.

Ny fepetra mamaritra izany voalohany indrindra dia ny fotoana amin’ny faran’ny herinandro (weekend roa andro izany hatramin’izao); mba tsy hanapahana ny asa aman-draharaha sy ny fianarana. Ny faharoa dia ny fisian’ny ny andro tsy fiasana manaraka io (Alatsinainy fialan-tsasatra), fotoana azo hiveranan’ny olon-drehetra mody am-pilaminana.

Rehafa natambatra ireo dia hita fa ny faran’ny herinandro mifanakaiky amin’ny andro tsy fiasana ao Kanadà (01 Jolay) sy amin’ny “Independance Day” ao Etazonia (4 Jolay) no metimety kokoa.

Ary ny mahafaly dia mifanindry amin’ny lohataona mafana fanaovam-pety sy eo an-dohan’ny fotoanafandehanana fialahantsasatra io (tsy manapaka vakansy).

 

8. - Inona ny tamba-zotran’ny ny RSM ?

Ny tamba-zotra dia ny fitambaran’ny zotra (ligne) maromaro na làlana hifandraisana. Ny firesahana sy ny lovan-tsofina no nahafahana sy mbola hazahoana nifandray sy namorona ny ekipa ao amin’ny RSM. An’isany mampiroborobo azy hatrany koa amin’izao fotoana izao, ny “ tamba-zotra sosialy” malaza sy mahenika, toy ny Facebook.com (Rsm Dc ny eto RSM Washington DC 2011)

Io ny fomba iray hafahana mifandray amin’ireo izay efa mpandray anjara amin’ny lalao, na hidiranao ao amin’ny tarika, amin’ny faritra misy anao, na hifanarahana amin’ny fitaterana (covoiturages), na hahitana toera-patoriana…

Misy ao tokoa, ary betsaka ny vaovao mety mahaliana sy ny tsy nampoizina.

 

9. - Inona ny fomba hatao, handraisana anjara ao amin’ ny RSM ?

Tsotra dia tsotra :

• Manoratra anarana amin’ireny tarika efa misy ireny.

• Mamorona tarika (ekipa) vaovao dia manantona ireny Komity rezionaly ireny.

Tsy voatery ho Tànana iray, na faritra iray, na Faritany iray (Province Kanadà), na “Etat” iray (Etazonia) no honenan’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny tarika iray; nefa kosa tsy maintsy manaraka ny fepetra sy fitsipika RSM.

 

 

10. - Inona ny anjara biriky entina ao amin’ ny RSM ?

Maromaro ny anjara biriky fanatevenana ny enti-manana, azo entina ao amin’ ny RSM. Ary tsy voatery ny olona na ny fikambanana mipetraka na monina ao amin’ny toerana hanaovana ny fihaonana no mandray anjara. Fa raisina an-tànan-droa ny:

• Hevitra maro samihafa

• Manao irakiraka

• Fanomezana vola na zavatra

• Fikarakarana ny sakafo na zava-pisotro

• Fandraisam-bahiny

• Fanomezan-tanana amin’ny fametrahana ny fitaovana rehetra

• Fitaterana

• Sns sns

Tsorina amintsika aloha hatramin’izao fa mbola tsotsotra ny fikambanana RSM: tsy mandoa saranyny mpilalao (droit de participation) ary tsy misy vidim-pidirana ny lalao. Fa miezaka mamelo-tena ny Komity mandray ny lalao, manangona ny enti-manana hanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny lanonana. Mendrika tohanana ary ny soa atao koa levenam-bola.

Ny nahaterahan'ny RSM

Nanomboka tamin’ny « Lalaon’ny Firenena miteny na mampiasa ny Teny Frantsay faha- IV», izay natao tao Ottawa-Hull Canada, ny taona 2001, ny Fihaonana ara-Panatanjahantenan’ny Malagasy taty Amerika Avaratra. Ny alim-pikoranana nokarakaraina nandraisana am-panajana ireo Delegasiona Malagasy tonga tao an-tanàna no fotoana lehibe nampihaona andian’olona roa tia sy mankafy fanatanjahantena. Ny an-daniny: ireo “Malagasy Young People (MYP)” avy ao New York sy New Jersey, notarihan’i Naina Ramaherijaona; ny an-kilany: Tanoran’i Ottawa-Hull, izay notarihan’i  Heritiana Andriamihamisoa. Noho ny fitovizana fitiavana tamin’ireo mpitarika roalahy (nahazo anarana hoe “Mpanentana”) dia nitarika sy nanentana ny namana izy ireo, ny mba hanaovana  fihaonana “Basket Ball” kely kely tsotsotra, amin’ny samy Malagasy nifankahita, alohan’ny fiverenan’ireo Vahiny ho any  New York/New Jersey.

Ny fihaonana voalohany izany dia ny andron’ny famaranana ny  Lalaon’ny Firenena miteny na mampiasa ny Teny Frantsay  ny taona 2001. 

 Tsara homarihana, am-panetrehan-tena tokoa, izany fa an’isan’ireo mpilalao voalohan’ny “Bekitana” dia ry Naina, Mika, Lipo, Andry (Cleveland): ary ny an’ny “sirop d’erables” dia ry Herittiana, Liva, Hery, Abdon, Elvis, Joseph, Tojo. Eto dia hialan-tsiny betsaka amin’ireo tsy voatonona anarana fa tsy hoe hadino akory ianareo fa ao am-po ihany.

Io fihaonana voalohany io, izay tsangambato tsara fantarina, dia tao anatin’ny endrika hafakely, satria nampitambolona tokoa ireo fiainana tany an-tsekoly fahiny tany Madagasikara, rehefa misy ny fifaninana ara-panatanjahantena: mikotaba manao “taim-bava” sy “mifanala” amin’ny “adiverisera”, mampilalao ny mpitazana, ary entanin-kafanam-po mamporisika ny ekipany mba handresena. Tamin’io fotoana io anefa, tsy “adiverisera” intsony fa mpinamana, mazava ho azy, rehefa mahazo taona sy aty an-tany lavitra dia izay, ka dia natao ara--fihavanana sy amin’ny fo “sportif” tokoa ny fihetsika rehetra.

Mba hizarana izany fientanana izany sy hiainana indray izany rivotry ny fitiavam-baolina izany dia nanantona an’i Mbelo Rakotomalala, an’isany tompon’andraikitrin’ny fanatanjahantena an-trano ao Montréal i Heritiana. Tafahoana ny tia sy ny manina, izy roalahy moa dia efa samy nandray anjara tamin’ny “Rencontre Nationale Sportive (RNS)” tany Frantsa: i Mbelo avy amin’ny Tanànan’i Nancy ary i Heritiana avy amin’ny Tanànan’i Bezons sy Amiens eo amin’ny taranja Volley Ball; satria koa samy mahalala ny andinindininy momba ny  raiki-pohin’ny lalao,  Dia nanapa-kevitra ny  hikarakara fihaonana ara-panahatanjahantena mitovitovy amin’io, kely kely sahazan’ny zava-misy, fa tsy goavana sy malaza ary be mpankasitraka toy ny  any Eoropa. 

Notanterahina soa aman-tsara ny hevitra. Ny “Mpanentana” dia nametraka ny andron’ny 25 May 2002, ao Montréal ,  hanaovana voalohany ny fihaonana fifaninanana aty Amerika Avaratra. Dia teraka tamin’izay ary ny ”Rencontre Sportive Malagasy (RSM)”.

Raha fintinina moa izany dia ny fihaonana voalohan’ny RSM dia mariky ny fitiavana sy finiavan’ny Mponina Malagasy aty  Amerika Avaratra hifanantona amin’ny maha-Piray Tanindràzana azy, ary hitazonana hatrany ao am-po ny “ Tanindràzana Malala”.

Ny zavatra natao, mba hanatanterahana io loha-hevitra io, dia ny fitadiavana ny enti-manana sy ny toerana. Ny Ambasadaoron’I Madagasikara tany Canada tamin’ny fotoan’androny, SEM Besoa Razafimaharo, ny Konsily  Yvon Martin, ary ireo Fikambanana Malagasy sy ireo Fiangonana Malagasy tao Canada, dia tsy nikely soroka tokoa, fa nirohatra niray hina sy nanampy araky azon’izy ireo natao an-kitsi-po, nanohana ny mpikarakara ny fiafaninanana. Tsy hay adino koa ny milaza ny fanohanana lehibe sy hatrany am-boalohany, miala tsiny manonona anarana, nataondry: Philémon Rakotonjanahary, Valery Ramonjavelo, Filohan’ny «Solidarité Jeunesse Madagascar Canada (SJMC)” tamin’ny fotoan’androny, Kathy sy José Ralijaona ary Nancy Rakotomalala tamin’ny «sakafo-mpirahalahina» fomba tsara fanao mahazatra tanterahina amin’ny alin’ny fizaràna medaly, Haja Ramahatra momba ny feo sy mozika; ary, tsy kely fa lehibe koa, ireo rehetra tsara sitra-po, nanampy maimaim-poana, nahatonga ho vanona ny fiafaninanana.

Marihina izany fa ny taranja “Basket Ball” aloha no notapahana hatao tamin’ny fihaonana voalohany. Afaka herin’andro maromaro taty aoriana, rehefa naroso ny hevitra avy amin’i Jean Claude Rajaonah sy Philémon Rakotonjanahary dia nolaniana fa hatao ny baolina kitra (soccer).

Raha zohina dia ireo Zaza Tanora no tena tia ny “Basket Ball”, ireo Tanora Zokiny sy ny azo lazaina hoe Lazondazony dia mankasitraka ny baolina kitra.

Izany anefa tsy nahasakana ireo olona nangataka , nihombo hatrany, te hilalao taranja hafa toy ny “Volley Ball”. Tanteraka ary ny fisian’ny “Volley Ball mixte”, lahy sy vavy miaraka, tamin’ny fihaonana faha-roan’ny RSM 2003 tao Montréal.

Ita sy tsapa tamin’ireo fihaonana roa voalohany ireo fa nandeha sy tanteraka  ny dingana voalohany momba ny tanjona sy voto-ati-kevitry ny RSM: fitomboan’ny fifampikasohana sy ny fanantonan’ny Mpiray Tanindràzana Malagasy ara-panatanjahantena, ao anatin’ny “Fihavanana”.

Tamin’io taona 2003 ihany, tao Etazonia, nihetsika ny MYP (tanora avy ao New York sy New Jersey) ary nanana tanjona hikarakara fifaninanana mitovy amin’ny tany  Montréal. Nihezaka nifandray tamin’ireo olona sy namana manerana an’i Etazonia. Ny tao Washington DC dia nahatsapa  tokoa i Farrah Malala sy Bakoly Randrianarivelo fa tena tsara sy mahafinaritra ny hevitra. Raha ny zava-misy tao moa no jerena dia toa tsy mifankafantatra loatra ny tanora Malagasy, ka mangetaheta fifampikasohana, fihaonana lehibe mihitsy mba hisin’ny fifandraisana mety haharitra. Tapa- kevitra ary izy roa fa hamorona ekipa mba hampihaonana ny mangetaheta, ary ho solon-tenan’i Washington DC, handray anjara amin’ny fifaninanana. Nataon’izy ireo ny antso avo: na ho an’ny tanora, na ho an’ny Ray aman-dReny, izay nanohina mafy sy betsaka tokoa. Nanomboka tamin’izay dia nanampy betsaka tamin’ny ara-bola sy ara-pamporisihina ny zanaka ny  Ray aman-dReny, nirotsaka an-tsehatra mihitsy aza nanao ny ainy tsy ho zavatra. Tsy nikely sorola fa nitatitra, nanatitra, nanatrika ireo zanaka hanao fanazaran-tena mitohy. Nanao sy nanampy ny tanora mihitsy aza tamin’ny fanatanjahantena nataony, Nahafinaritra ny fiainana tao anatin’izany. Ary mino angamba isika fa mbola mitohy ary mihamafy ihany izany hatramin’izao.

Tao New York no natao ny fianinana RSM io taona 2003 io. Ary nahatondra ekipa efatra  i Farrah sy Bakoly: roa (2) ekipa “Basket Ball” lehilahy, iray (1) ekipa “Basket Ball” vehivahy ary iray (1) ekipa baolina kitra (soccer).

Nihombo hatrany ny isan’ireo Malagasy tia fihavanana nanatrika ny fianinanana. Afa-po ny olona rehetra ary faly ny tompon’andraikitra fa nandroso sy nizotra araka ny tanjony  tany am-boalohany ny RSM. Tamin’ny famaranana ny fifaninanana no nanapahana ny hevitra fa any Washington DC indray no hanaovana ny lalao manaraka taona 2004.

Taona 2004 - Washington DC (miaraka amin’i  Maryland sy Virginia): vory lanina toa tsy nisy ohatr’izany ny vahoaka Malagasy taty Amerika Avaratra. Sainga tonga tao daholo, na nanana solon-tena, ny lafy valo: Canada, New York/New Jersey. Nihabetsaka foana ny olona: na ny ekipa sy ny mpandray anjara tamin’ny lalao, na ny tonga nanotrona. Nanomboka tonga tao koa ireo olona avy amin’ny  Tanàna na “Etats” hafa:  Austin, Cleveland,  Connecticut, Saint-Jérôme, Toronto, Trois-Rivières,Minneapolis, Minnesota, Ottawa,…, na tsy nandray anjara tamin’ny lala aza. Ka nampientanentana ny fifankahitana indray sy ny fifankafantarana.  Nahay nikarakara sy nalaza nandray vahiny, sady efa nahazo traik’efa tokoa moa ny tompon’andraikitra ka mendrika fa nahavita zavatra tsara.

Tamin’ny famaranana ny lanonana dia nakambana ny RSM Canada sy ny RSM Etazonia. Natao hifandimbiasana isan-taona: Canada dia Etazonia, ohatr’izany hatrany hatrany, ny fandraisana ny lalao.

Taona voalohany 2001 tao Ottawa-Hull Canada - 2002 Montréal– 2003 New York– 2004 Washington DC (sy Maryland ary Virginia) – 2005 Montréal– 2006 New York– 2007 Washington DC – 2008 Montréal– 2009 TRI-STATES (New York – New Jersey – Connecticut) – 2010 Québec– 2011 Washington DC (Washington DC sy ny manodidina).

Nitombo sy nihatsara hatrany ny traik’efa, nanaraka izany koa ny lalàna sy fitsipika mifehy ny lalao. Nitarina ny mpandray anjara ka afaka milalao ny havan’ny Malagasy vahiny, ary koa ireo Vahiny nandalo ka nisy fotoana niainana ta ny Madagasikara. Niezaka nanao ary mbola miezaka manao ny metimety kokoa amin’ny lafiny rehetra ny tompon’andraikitra. Nampidirana tsikelikely, arak’izay azo natao, ny hetsika ara-tsaosialy sy ara-koltoraly. Nisy ny fiantsoana mpakanto avy any an-Tanindràzana. 

Toy ny fanombohany sy ny zava-nisy tany aloha dia natao sy tokony hatao izay mahafinaritra sy mahafa-po ny olona.

Ny mahafinaritra koa dia tsy tapaka fa misy foana isan-taona, hatramin’izao ny fihaonana. Ary farananana amin’ny “nofon-kena mitam-pihavanana”. Ny tanjona moa dia ny fitandroana ny “Fihavanana” mba ho fihaonana sambatra.

P.S.: Raha misy fanintsina na fanampina tian-tsika hatao dia raisina an-tanan-droa.

Ny Rafitry ny RSM

Ny rafitry ny RSM

Ny Komity Rezionaly  (KR)

Ny RSM dia karakaraina sy tantanan’ny fitambaran’olona tsara sitrapo avy aty Amerika Avaratra. Mifarimbona miasa maimaim-poana izy ireo. Niforona ho Komity Rezionaly izy ireo:iray tao Canada ary iray tao Etazonia. Vitsivitsy ihany izy izany tany am-boalohany.

Tao aorinan’ny fihaonana faha-roa tamin’ny taona 2003 dia niampy nirotsaka ho mpikambana ao amin’ny « Komity Rezionaly » ny Ray aman-dreny, ny mpilalao sasantsasany ary ny kapiteny.

Ny KR no misolo tena ny Tanàna na ny Faritra misy azy any amin’ny toeram-pifaninana, mikasika ny fanapahan-kevitra amin’ny sehatra rehetra. 

Ny KR tsirairay no mampita ho an’ny be sy ny maro sy ho an’ny « Komity Mpikarakara (KM)» hanomana ny fandraisana ny lalao manaraka ao aminy, arak’izay hitany fa mety,  ny vaovao sy ny hafatra ary ny fanapahan-kevitra avy amin’ny « Fivoriam-ben’ny KR rehetra » izay atao ao aorinan’ny fihaonana farany.

 Ary farany fa tsy kely, izy no manentana ny fanadraisan’ny olona anjara mba ho tonga maro; izy no miandraikitra ny fifehazana ny mpandray anjara rehetra ao amin’ny toeram-piahaonana (fandriampahalemana sy fanarahan-dalàna ary fitsipika, tohan’aina sy sakafo, fandraisam-bahiny,…).

P.S. : Ny « Fivoriam-ben’ny KR rehetra » no nifanaraka  tany aloha tany, fa hifandimbiasan’izy ireo isan-taona ny fandraisana ny fihaonana.

Ny Komity Mpikarakara (KM)

Ny Komity Mpikarakara dia teraka rehefa mandray ny fihaonanana ny ao an-toerana. Mety ho tafiditra mpikambana ao daholo na ny mpikambana ao amin’ny KR na/sy olona hafa tsara sitrapo. Izy no hiantefan’ ny vaovao sy ny hafatra ary ny fanapahan-kevitry ny « Fivoriam-ben’ny KR rehetra », amin’ny alàlan’ny KR ao aminy. Izy no mikarakara sy mitantana ary manatanteraka ny fihaonana araka ny sori-dàlana an-kapobeny (cahier de charge) voafaritra tamin’ny « Fivoriam-ben’ny KR rehetra » tamin’ny fihaonana teo aloha.

Rehefa tapitra ny fihaonana dia miova ho Komity Rezionaly indray ny Komity Mpikarakara. Ny isan’ny mpikambana moa dia miankina amin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo.

Ny tanjona dia ny fampitana ny fandromboroboana hatrany ny hasin’ny Fihavanana sy ny lanjan’ny RSM eo amin’ny fiaraha-monina.

Olona tsara sitra-po

Hatramin’izao, ny mampiavaka ny RSM dia ny fandraisan’ny olona rehetra tsara sitrapo anjara, maimaimpoana, amin’ny lafiny rehetra : fikarakarana, lalao, fanomezan-tanana. Miezaka mamelo-tena ara-entimanana (budget) ny KM tsirairay fa tsy misy ny fanampina ara-bola avy amin’ny KR samihafa. Tsy misy vidim-pidirana ny lalao ary tsy manao fitia tsy mba hetra (cotisations) hatramin’izao ny mpilalaon’ny RSM. 

Ny mpanolotra raharaha (prestataires de service)

Misy ny asa voatokana na sarotsarotra ka tsy maintsy hilaina mpanolotra raharaha (prestataires de service) : fitsarana lalao, fandriampahalemana, fikarakarana manokana ny toeram-pilalaovana. Ny KM no manapa-kevitra ny amin’izany, amin’izay hitany fa mahamety azy fa mifanaraka amin’ny zavatra tadiavina sy ara-dalàna.

P.S :  Ny fiainana moa mihamandroso hatrany, ny olona sy ny toerana hanaovana ny fihaonana mitombo hatrany. Angamba azo eritreretina ny hetsika hiarahan’ny be sy ny maro hitadiavam-bola, ao anatin’ny fihavanana sy ny firaisankina hatrany. Ka mety hiroso amin’ny fangatahana fanomezana (donations) sy fanohanana (sponsoring) ary ny fitadiavam-bola hafa ihany ny Komity Mpikarakara.

​

Andininy momba ny Mpilalao Avy any Madagasikara (MAM na JOM)

Ny olona afaka mandray anjara amin’ny RSM

1. Famaritana ny olona afaka mandray anjara

1.1 Olona Malagasy

- Ny olona mizaka ny zom-Pirenena Malagasy (citoyen, de nationalité malagasy) ; na ny olona efa nizaka izany teo aloha sy/na ireo taranany (zanaka, zafilely, zafiafy,…) ara-dalàna.

 

- Ny olona tsy mizaka ny zom-Pirenena Malagasy (de nationalité étrangère) fa manana fatorana amin’ny Malagasy: vady vita soratra sivily na vady vita mariazy relijiozy; ny taranany na taranaky ny zaza natsangany ara-dalàna.

1.2 Olona manana fatorana amin’ny Malagasy

- Ny olona tsy mizaka ny zom-Pirenena Malagasy (de nationalité étrangère) fa manao tokatranomaso amin’ny Malagasy (jereo 1.1 -): tsy vita soratra fa an-karihary, miaraka tokatrano.

- Ny olona tsy mizaka ny zom-Pirenena Malagasy (de nationalité étrangère) fa nanangana olona mizaka ny zom-Pirenena Malagasy (de nationalité Malagasy),sy ny taranany ara-dalàna tsy mizaka ny zom-Pirenena Malagasy.

1.3 Olona Zanatany

- Ny olona tsy mizaka ny zom-Pirenena Malagasy (de nationalité étrangère) fa teraka tany Madagasikara sy ny vadiny ary ny zanaka naterany ara-dalàna (de nationalité étrangère).

- Ny olona tsy mizaka ny zom-Pirenena Malagasy (de nationalité étrangère) fa niasa tany Madagasikara fara-fahakeliny herin-taona (1 taona), tamin’ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara, vita sonia tamin’ny Fanjakana Malagasy; sy ny vadiny ary ny zanaka naterany ara-dalàna.

2. Fahafahana mandray anjara amin’ny RSM

Ny olona mahafeno ny fepetra 1.1 dia afaka mandray anjara tsy misy an-kanavaka.

Ny olona mahafeno ny fepetra 1.2 sy 1.3 dia mahazo mandray anjara rehefa voamarina. Torak’izany koa ny vadiny sy ny taranany.

 

 

3. Fanamarinana ny fandraisana anjara

Ny ekipa iray voasoratra dia manana mpiandraikitra iray sy kapiteny iray.  Ireo olona roa ireo no mifandray ara-ofisialy amin’ny tompon’andraikitry ny RSM. Manaiky izy ireo fa manaja sy mampanaja ny fitsipika sy lalàna mifehy ny RSM ary ny lanjany. Ary indrindra, izy ireo no tompon’andraikitra voalohany sy andry hatokisan’ny Komity RSM amin’ny fanamarihana sy ny fahamarinan’ireo fepetra amin’olona voalaza ao amin’ny andininy 1.2 sy 1.2 ary 1.3 etsy ambony. Marihana fa afaka mitaky porofo mazava sy taratasy mikasika ny fepetra avy hatrany ny Komity RSM. Ny toe-javatra ita fa tsy mazava sady manahirana, tsy voalaza amin’ny Komity RSM izay miezaka hamaha ny olana alohan’ny fanom-bohan’ny lalao isan’isany, dia miteraka fandroahana avy hatrany ny mpandray anjara eo ambony kianja. Marihana koa fa tsy misy ny fivorina fandinihan-java-miseho mandritry ny andro rehetra anaovana ny fifaninanana.

Noho izany, ny fahitan’ny Komity RSM, aty aorian’ny fisehoan-javatra, ny fanambarana na ny fanamarihana diso dia hahafahana mampiatra sazy, ka mety ho tonga hatrany amin’ny fandroahana ny ekipa diso sy fanafoanana ny vokatra.

Mila ny fanohananao izahay anio!

bottom of page